SAOTRA TSY HO FANAPERANA (Malalatiana-Hasina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saotra tsy ho fanaperana
no mipololoatra Raiko,
tsy anambazana, tsy amerana
ny hasambarako ary haiko
fa horaisinao tokoa.

Ny fitahianao mikoriana
lalandava, tiana, telina
sy ny hakanton'ny fisiana
diso tsapa fa mihelina
mahatretrika ny fo.

Manandran-tsitraka aminao
amin'ny ora toy izao
ny fo, fanahy sy saina iray.

Mifona amin'ny hadisoana,
mihanta ho an'ilay finoana
haharitra mandrakizay.

MALALATIANA-HASINA
21-09-2011
--------
Lien:
Catégorie : Fifaliana - Vavaka
1387 0
Commentaires
TENIMAMIKO ( 03/07/2012 16:58)
Hafakely ny tononkalonao. Mamiko fa midera Ilay Mpahary. Toy izany koa ilay "Noho Ianao mitahy". Angamba misy hafa betsaka any ô ?
M-Hasina ( 03/07/2012 17:40)
Miarahaba Tenimamiko dia misaotra indrindra. Maromaro tokoa ny tononkaloko miantefa amin'Ilay Mpahary: saotra, fankasitrahana, hanta sy talaho,fanehoam-pinoana ihany koa fintiniko amin'ny hoe "vavaka".
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143