Mahantra hoy ianao ny Malagasy (manantena)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahantra hoy ianao ny MalagasySahiran-dava izao sy mangasihasy
Mitsiriritra mafy mahita ireo vahiny
Miadana, finaritra, toa tsy manan-tsiny
Kanefa, harena hono izany
Ao an-kibon'ito tany
Raha zava-boahary no 'ndeha ho lazaina
Dia I Madagasikara no mby ao an-tsaina
Fa hananany avokoa ireo izay tsy fahita
Antenaina hitondra soa ho an'ny tanindrazantsika
Raha zohina indray ireo zanaka naterany
Tsy misy mampanahy fa manambaka ny any ivelany
Nisy maro tsy voatana, lasa niondrana avokoa
Handranto fahalalana sy hitady izay mahasoa
Ny eto hono mantsy, tsy misy azo antenaina
Fa mandry an-driran'antsy, ka mampiferin'aina
Izay atao rehetra, ilana vaniny daholo
Be mpisetrasetra, ka mampitsangam-bolo
--------
Lien:
Fans:
izariah
Commentaires
endrika01
(
01/03/2009 13:07)
tsara lay aingam-panahy.