Tsy ekena intsony (manantena)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ekena intsonyNy asa famoretana
Ataon'dry lerony
Ka andao hiara-hientana
Tsy ekena mihitsy
Ny jadona ataony
Isika tsy hitsitsy
Hiaraka hanongana
Tsy ekena koa
Ny fanjakan'olo-tokana
Izay mahavoa
Ny firenena hitotongana
Ho lavintsika daholo
Ireny rehetra ireny
Hazera manontolo
Fa mpitondra tsy mamely
--------
Lien: