mandalo (masofahatelo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mandalony fiainana fantatry ny olona
dia ny hitan'ny masony ihany
hany ka tsy mety mionona
satria maro ny tsy hita @ izany
Mitady ny lafatra foana
Nefa ny jaly tsy hitsahatr’indrisy
Mifaly mitsiky misaona
Lavitry ny paradisas.
Varian’@fiaina-mandalo
Ka tsy fantar’intsony ny hoavy
Androany ianao revo mikalo
Fa rahampitso dia manavinavy!
Maro ny mahafinaritra,
Ny soa sy ny kanto tsy ho lany
Fa moa ve ireny haharitra
Sa mandalo toa orana ihany ?
--------
Lien:
Catégorie :
Namana - Fiononana - Fifaliana - Fiaraha-monina - Fiainana - Fahantrana - Aingam-panahy - Ahiahy