MANIRERY (Mbola tsy fantatra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba tsy hitako eto ny lanitra iantsapazanafa feno anao ny foko,
Ny maso kely foana no indry mitazatazana
ny fitempon' ny fitia, ilomanosan' ireto olona
ambadika toloko!
Jereo 'ty izy ireto, mikambana - miraikitra
maka tahaka eny ilay anjara andraikitro
rehefa anilanao
Fa mantsy tsy eto ianao, dia mihevitra izy angamba
f' izaho dia tsy mba mambana oroka - fitia
matoa mirevy irery, tankina toa jamba
tsy mahita akory ny hakanton' ny saramba
mandalo hanatrehako ... kanefa tsy eto 'ndry
entiko hanaparana ny reviko anjoria
koa aleoko manirery!
Rehefa mihaona isika,
angamba hisy olona ihany koa hivika
hahita antsika roa, misambatra fitiavana
dia tsy raharahiana, avelao harary fo
Mba ho toy ahy izao koa:
mila ho hody razana!
Andon' Ny Aina
--------
Lien:
Commentaires
zoukimi
(
05/11/2008 15:21)
http://manafo-safo.over-blog.com/articles-blog.html