ALINA NAHA-IRERY (Mi'andry Berantoson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALINA NAHA-IRERY

izao alina mangiana izao no amborahako zay ato anaty
efa mila tsy ho zaka mantsy ka aleo ambara fa tsy tanty
Tsy haiko intsony sa hoe zava-misy ka tsy maintsy atrehina?
izay no mahatonga ahy handray ny taratasy sy ny penina....

Hanoratra aho, ilazako izay rehetra ao am-po
Eny, hanotra na dia mba hanala ilay aretin'andoha
iza moa no mba namana raha tsy eo ilay aingam-panahy?
Izao ny ora sy fotoana afahako manoratra tsy misy ahiahy.

Ireny sento, tebiteby, alahelo , fifaliana niainako androany
No indro atambatro eto ho anao mpamaky any ho any
Sambatra angamba ianao amin'izao ary mety misy hafaliana
Izaho kosa mbola hanoratra ka aleoko aloha mangiana

Tsy haiko intsony, fa ilay hafaliako toa nivadika ho zavatra hafa
na izaho koa aza mba tonga saina hoe lasa hafahafa
Iza anefa no afaka hanampy mba izarana izany
Angamba tsy misy afa-tsy ny saiko irery ihany.....

Andeha atory aho ka aleoko ny nofy no hameno hafaliana
Any angamba no afahako manala izany sory nampangiana
Ilay nofy mba itoviako amin'ny rehetra na ory na ny manana
Na ririnina aza ny andro, iriko ho nofy tsara mba ho tanana....
--------
Rohy:
1559 2
Mpakafy: Rhayman - tmjjah
Hevitra mandeha
tmjjah ( 09/04/2015 16:05)
tononkalo ts afaka ao antsaina isaky ny mamaky azy! tiako loatra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155