'Ndao hiara-hientana e! (Mi'andry Berantoson)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny asa soratra no ilainaDia hazoto aho , tsy mba halaina
Vonona aho , haneho ny kantotsika
Tena hilaza ny marina fa tsy hoe be tatasika
Ny zavatra omena dia tena misy marina
Maneho ny zava-misy, izay saro-pantarina
Na izaho manoratra aza dia tena variana
Hay ve zava-bitako mba misy mahaliana!!
Mba lasa ny saiko ary nandinika tsara
Maninona moa isika no eto Gasikara?
Kanefa dia tenin'olon-kafa no dradradradraina
amin'izay rehefa mbola tsy hay dia mampiferotr'aina
Fa mba ahoana ny teniko sy ny tenindrazanao,
Raha tena halalinina, moa ve mba hainao?
Ekeko fa tsara ny mahafehy ny hafa
Kanefa mbola tiako ny maheno ny teny gasy rehefa mitafa!!
Ho anao izay vonona ary dia handao velomina
Ilay tena haingam-panahy sy talenta fa tsy hoe foronina
Ambarao sy torio, dradradradrao ny maha malagasy anao
kolokoly, hatsarao fa aza soloina ny mahaizy azy anao!!!!
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
tmjjah