Te hitovy aminao.... Fan (Mi'andry Berantoson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hitovy aminao....

Fantatro fa maro no tsy mba manana fanantenana
kivy tsy mahita intsony izay lalan-kombana
izay havana sy namana tsy hita hampahery
indrisy lava! toa fiainana tsy mety afa-pery

Mampalahelo tokoa ny mahita ny sasany
tsy hay intsony fa ny mizaha ny fako no lahasany
tsy maraina tsy hariva fa ampototry ny zaoridira
"mba mangataka re!", zay no mba hainy mihira

Misy izao mba te hifaly satria ny taona vaovao
saingy tsy afa-manoatra noho ny zava-misy iainany ao
Mba te hifaly, hamonjy lanonana, hamangy havana
Indrisy anefa fa tsy avelan'ny aretina sy ny tsy fananana

Misaora an'Andriamanitra raha mbola misy ny azonao atao
mba tsarovy ihany ny tsy manana ary koa izarao
Mandalo ange ny eto antany toy ny zavona miserana !
Mivavaha ho an'ny kamboty ary omeo laka ny fandeferana!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
887 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mi'andry Berantoson
Nampiditra : tmjjah
Daty : 02/08/2016 12:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105