Te hitroatra mafy (Mi'andry Berantoson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
alahelo mitambesatra
no mameno izany foko
toa tsy zaka fa mavesatra
ireo ziogam-pahoriako

ny faniriako tsy mety to
ny adin-tsaina koa mamely
tsy mba afaka manao sitrapo
fa voageja toy ny zazakely

zay rehetra atao mandreraka
na ny saina na ny vatana
tena mahakivy sy mahaketraka
rehefa ny olana no mamantana

tena mila hampamoy fo
ny misaina ny zava-misy
saingy aleo tsy hamakiana loha
fa manjary mahabe ny vitsy!!!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1026 1
Mpakafy: tmjjah
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139