Ranonorana (Nirhy-Lanto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injay lasa tampoka izany nofiko,Fa feo hafahafa no ren'ny sofiko,
Feon'ny fianjeran'ny ranonorana :
Mandresy ny akanga efa nanamborana ;
Feo mampanembona an-tanin'olona,
Feo mahakotsa ity fo vololona.
Endrey ! izany foko fadiranovana,
Misaina ilay tokana izay tsarovana ;
Ilay tokana may sy mba notiavina,
Toa manam-pitiavna kararavina ;
Ilay azoko nofy mamatonalina,
Toa faly hametraka ratra lalina.
Ny foko ê ry lahy, ny foko maratrako,
Ilay nofo mahantra ato anaty tratrako,
Na dia tsy maba lena za izany vatana
Manorana kosa eto am-panoratana !...
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana