LALIM-PAKA (Nofy2)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tovolahy iray izay mbola resin-tory,variana sy sondrianaTsy nisaina mihitsy ny hanam-pikasana,hitady olon-tiana
Kanefa dia voasarika raha sendra mba nandalo ity tovovavy iray
Fa kanto sady meva,hafa tena hafa,nanaitra ny fanahy
Nidoboka ny fony,nangovitra ny tavany teo am-pijerena
Fa nisy hery iray,nanosika,nanintona,namikotra ny tena
Tsy azony an-tsaina,na aiza no hitodiany,na aiza no hiafarana
Toa tselatra iray,nandrisika ny maso hitopy ka tsy tana
Dia babo teo ny masony,roboka tokoa,satriny jerena
Injao fa nisy fo nitepo fitiavana,tsy nety noresena
Nidoboka aoka izany,niredareda mafy,toa mila hahandoro
Ka sakodiavatra izy nandinika ny fony nanjary torotoro
Dia lasa teo ny sainy,banjininy ny tany,fa iza loatra iny
No manan-kery hafa,manintona ahy èry,toa tsy manan-tsiny
Dia vaky teo ny sainy,injao fa niondrika izy,tsy nitraka intsony
Fa hay ny zava-nisy nampitolefika azy dia ny alahelom-pony
Dia hoy ny eritreriny,nandrisika ny tenany,tsy ho kivy na ho trotraka
Fa izy rahampitso,mbola andalo eto ka ny fitia haboraka
Fa hay ny fitiavana,tsy voatery ela,izay vao mahatsapa
Fa na topy maso aza dia efa mampitsiry ny fitia lalim-paka
Nofy2
12 Juin 2008
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana