Ny ho avintsika (Nofy2)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manahy aho sombiniaiko amin'ny hoavintsikaTsy noho ny aminao
Ny fahendrenao aza tena itokiko
Kanefa raha izao hahantra foana isika
Jereo ange, malala, ny firenentsika
Angamba fantatrao, iarahana mahita
Tsy mitsahatra mitombo izato vidim-piainana
Raha izao no mitohy dia be ny fitarainana
Nefa ny karama tsy misy fanondrotana
Raha vao mitaky anefa dia hoe manankorotana
Ny kapoakam-bary izao no mitovy amin'ny saran-dalana
Raha mbola izao foana tsy ho hisy ny eo an-tànana
Diniho ange, ry aiko, ny mpanao politika
Jereo ny ataony toa manaboto antsika
Lazainy eo daholo ny zavatra hatao
Kanefa aiza ho aiza izay vita hatramin’izao
Isika toa itony moa afaka hankaiza
Raha hiteny anefa mba hitondra ho aiza ?
Tsy misy mihaino akory fa hoe mirediredy
Na marina aza anefa voateny sy voabedy
Noho izany anaka, milofosa mianatra
Ny mahazo antsika anie ataovy anatra
Mikiriza hatrany ny mba ho tafita
Kanefa aoka hijery ireo mahantra toa antsika
Nofy2 07 Avril 2007
--------
Lien: