Ampidiro aloha ny tenimiafina
Vonona (Nofy2)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa fantatra fa tsy ho anjaraKanefa tsy te hahalala
Nikiry, niezaka hatrany
Sao misy vahaolana ihany
Izy roa efa vonon-kiady
Na mafy aza ireo mianjady
Na inona sedram-pitia
Ny tanjona dia ho doria
Ny saina efa vonon-kandresy
Ireo loza izay mbola hifanesy
Tsy kivy ny fo manantena
Na inona zava-mitsena
Izay ilay fitia vitsim-panana
Tsy nihevitra ny hiverin-dalana
Mandroso tsy misalasala
Na efa hita izao fa voarara
Nofy2
19 Oct 2011
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
Nofy2
