Ampidiro aloha ny tenimiafina
HAFATRA (Noëlson L. ANDRIANIAINA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba ento kely ity hafatraDia mba ataovy tonga lafatra
Any amin'ilay malala any
Ny mpandefa dia fantany ihany
.
Hoe izy any tena tia anao
Ka tsy mba handao
Na dia misy ny alaviran_tany
Izy mahatsiaro anao hatrany
.
Lazao ihany koa izy
Fa izy any tsy diso safidy
Naka anao ho malala
Tamin'ny fo tsy nisalasala
.
Tandremo sao misy adino
Izay rehetra nafarako
Ka aza avela miandry
Fa izy any tsy mandry
--------
Lien:
Fans:
Noelson ANDRIANIAINA
