Ho an'i dada (Ny Ela Nihetezana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifalia ry dada a, fa fetinao androany,
Fety iray mandalo, malaza eran-tany!
Mifalia ry dada a, mifalia tokoa,
Aborahy androany, ireo fihetseham-po!

Miravoa mihitsy, asehoy aminy fihetsika,
Fa hatramin'izay... toa hadino ianao matetika!
Mifalia ry dada a, mihobia ny tompo,
Fa fanomezan-tsoa avy aminy ity ianao manjoko!

Fa andry ianao ry dada, niankinana hatrizay,
Efa ela nihafiana, hatramin'ny fahazazanay!
Koa iangaviako anio, izany raiko izany,
Mifalia tokoa, fa aza mitomany!

Arahabaiko ianao, fa nahatratra fety,
Manaova mamomamo, manaova metimety!
Ny fitiavanao, tsy manam-paharoa
Koa mifalia ry dada, fa telinay tokoa!

Ny Ela Nihetezana
--------
Lien:
Catégorie : Tsingerin-taona
1638 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141