Ampidiro aloha ny tenimiafina
REHEFA TENA TIA (Ny R. FIDIMANANTSOA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tia tokoa,Tsy revon’asa loha
Fa hatrany miramirana,
Raha vao mahita monja ‘lay tiana an-kodimirana
…
Ny iza sy ny taiza: Tsy mihelina eo am-bava
Fa tsiky lalandava
No tazana eo imolotra
Mamadika ho tolotra
‘lay hetaheta anaty
Hanjary ho faniriana tsy ho lefy mandra-maty
Sy anoka fitia
manentohento ery
…
Dia eo am-parafara
No ahazoana tsiro ny tohin’ny tantara
…
Tena hainao tsara !
Ny R. FIDIMANANTSOA
--------
Lien:
