TSIARO FITIA (Ny R. FIDIMANANTSOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin’iny alina iny ; diavola-nangoratsaka !
Teo ny ankizy, nilalao ;
Feno hatreo am-pamoloana, ka hatreny an-tanin-katsaka ;
Teny koa izaho sy ianao.

Nitsipelatra aok’izany ny hazavana manodoka ;
Nampisedika haravoana ;
Saika hahaloaka ny alina am-panenjika, a-rabóka ;
‘Zany ve tsy ho tsaroana !

Tetsy am-pototr’itsy raotra no niarahantsika niafina !
Teo isika roa irery !
Tena maizina, tsy tazana, ary tsy hita notarafina
raha ni-fangalampiery ;

Injany ny efonefonao, nihanisisika ho anilako ;
Ô ! nanaitra vato-jaza
Nirafetanao, hiampify, lavitry ny filafilako ;
Fa nosangazoniko aza !

‘Njay nihiaka ny « afapo » ‘lay mpizaha efa afa-nenina
Hisehoantsika amin’izay
Moa ianao niraika akory, fa tsy nody ho be marenina,
Ary nihazona ahy indray !

Nisy tafa tsy niloaka, tsy hain’ny molotrao nambara ;
Tsy haiko nolazaina koa.
Fihi-mafin-tanantsika, no hany sisa nitantara :
Samy tia isika roa !

Nofikirim-pahazazana ny hetaheta nianjoria…
Nony izao lehibe, tazano :
Indro ianao sy iny olona iny ‘ndeha hiloka ny ho doria
Eh ! Marena tokantrano

Ny R. FIDIMANANTSOA
Ambohimamory, 17/04/2013
--------
Rohy:
1331 1
Mpakafy: Liber_T
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny R. FIDIMANANTSOA
Nampiditra : Liber_T
Daty : 16/11/2013 06:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137