Lasa … (Ny Radontsoa Mamiratra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa nanakopaka ny elany tanora
‘lay voro-mpanonofy tan-tafon-tranonao …
Nisidina, nisidina, nanivatsiva mora
ny lanitry ny fiainana sy ny habakabakao …

Ireo tafasiry nandaniana fotoana;
Ireo ngadon-kira namelona ny andro …
Nasainy tahirizin’ny volana sy taona
Hitamberina eto ka hampihandrohandro!

Ny teny izay nomeny, ireo tsiambaratelo …
Tsy akory tsy tsaroiny … Am-po tsy manadino!
Ny tsiky sy homehy narahina alahelo …
Miangona eny an’habaky ny fony … Toa fanilo!

Fa tany ka malama; olona, malia …
Nitsetsitra ny heriny sy ny ainy vao tanora …
Fa ny nisy teto: fiarahana, fitia …
Tsy hainy mba alevina: Mirehitra tsy tola;
Miverina tsimora (mora) …

Ny Radontsoa Mamiratra
24/04/2024
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Fiainana - Aingam-panahy
64 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144