Fiononana (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ny fitiavany no toa maro loko?
Zavatra fantany moa fa ny foko...!
Anatin'ny foko mankafy azy indrindra,
No misy fitiavana tsara mirindra!
...Ny familafilany no toa tafahoatra!
Indrisy,eny,mantsy mila hampitroatra...
Na manao ahoana anie fitiavana rehefa tsy anjara,
Mila mahay mionona,f'izany no tsara!

Ny foko tsy nino ny fony tsy tia
Mionona,mionana,mba mitonia!
...Atoroko anao izany hoe:fiononana
Alatsaho ao anaty ny fahavononana!
D'izy no hampitraka ny fo mitoloko,
Rehefa avy eo,miovà loko...!

Ny R.T.M
--------
Lien:
Catégorie : Fiononana - Fisarahana - Fitiavana
1452 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222