Raha toa... (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ka lasalasa ny nofinofinao,
Hiriotra,handrovirovitra...
Ka hahita mangina ilay tia anao
Anaty alina mangovitra...
Dia tsarovy ny hasin'ny fitia natolony
Fa manoina ao am-po!
Sy ny fivatravatran'ny tanjaka fonosiny,
Mampiray anareo roa
Raha toa ka mitamberina anaty nofinao
Ilay endriny sariaka
S'ilay tsikiny mambabo,ilay endriny tsy mankalao
Toy ny volana baliaka...
Dia aoka ho fantatrao,
Fa ny anton'ny nofy io,
Fahatsiarovana,eny,angamba!
Ka mahatonga anao hiriotra toa tadio,
Hitady azy na dia jamba...!
...Raha toa ka misy tsy tanteraka mihintsy
Ny nofinao,
Dia aza gaga ianao!fa ny nofy io,indrisy!
Ka atsaharo ny talaho!
Koa mahereza ianao,sakaiza
Mionona,f'aza kivy!
Fa na ho aiza ianao na ho aiza,
Ny nofy io,tsy mba azonao amidy...!
Ny R.T.M
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1182 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0129