Raitra ilay tiako. (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny endrika sy ny bikany?Kanto,meva sady raitra!
Ary toy izao no dikany,
Henoy tsara fa manaitra:
Ny kanto dia mambabo
Fo,saina ary koa fanahy
Ny fitiavany dia lavo,
Ka miara-tsambatra @ ahy...
Ny meva raha ambara
Dia maha-te ho tia
Ka lasako...anjara
Anjaran'ny fitia!
Ny raitra dia midika,
Fa angamba... fanaperana...
Ilay endriny sariaka
Ka tiako lahy ny hoferana...
Olon-droa miray,
Mifankatia tokoa
Ka ho mandrakizay
Ny fitiavanay roa!
Ny R.T.M
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana