Ho tsiambaratelo (Ny ToKy ( NTK ))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray feno dia feno
ny fitiavantsika
Indraindray mila tsy ho heno
toy ny efa ritra

aoka ho ahy irery
ianao tsy hiteny
ho tsiambaratelo
ny ady sy alahelo
ny fitiavantsika

indraindray mahafatifaty
ny masonao mijery
indraindray mila tsy ho tanty
manan-kery miery

sanganehana aho
tsy hitako ny hatao
nefa aoka ho ahy
sy ho anao irery
"reny rehetra ireny

Afeno, aza lazaina
na amin'iza na amin'iza
tandremo: aza fafaina
ho tsiambaratelo

ho tsiambaratelo
ny ady sy alahelo
tia sady mankahala
ts'isy hahalala

NTK 2012 MARS
--------
Rohy:
1847 1
Hevitra mandeha
Soarilala ( 21/03/2012 20:34)
fiainana izany !!!!
ntk ( 22/03/2012 07:10)
Marina izany, fiainana...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny ToKy ( NTK )
Nampiditra : ntk
Daty : 20/03/2012 06:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01