Kalo (miaraka amin'i HARIAINA) (Ny ToKy ( NTK ))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY mpanoratra :NY HARIAINA:*
NY TOKY: §
* Fa kalonao indrindra,
§ Fitiavana tsy afindra
* Miaro tsikinao miavosa
§ hasambaranana hotontosa
* No mbola mampirindra
§ ilay fitiavana tsy afindra
* Ny tontolonao kosa.
§ Tsy mba ho osaosa
* Ka indro fa toa mirana
§ tsy ahatsiaro sahirana
* Mihira fahasambarana
§ Toy ny masoandro am-baravarana
* Ny voahary manontolo
§ No efa voakolokolo
* Ny hitanao rehetra
§ Fitia tsy misy fetra
* Milanto...
§ Fitiavana voarindra
* Kanto...
§ Fitiavana tsy afindra
* Toa anao indrindra
§ Fitiavana tsy afindra
2012 Mars
--------
Lien:
Catégorie :
Ny ToKy ( NTK ) - rindra - tsara - Tontolo iainana - Namana - Fampaherezana - Eritreritra mandalo - Fahatsiarovana - embona - fiainana
Fans:
malalatiana.ramanamisata - ntk
Commentaires
ntk
(
15/03/2012 05:58)
Raha atao hira izany dia mampiara-peo ve? hi²²
nyhariaina
(
18/03/2012 10:28)
Izay za vao nahita an´ity ry Toky... tsara ka, mankasitraka e
ntk
(
20/03/2012 13:07)
zany v ry Hariaina ? ts sasindrii NY d ts nasiko kou, hi²², efa lé tam FB iny aza io ko
nyhariaina
(
23/03/2012 11:39)
Izany ve? ohatry ny tsy tadidiko intsony,hi3