ianao (Nyaritra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ianao ilay milaza fa voafitaka ioianao ilay nandefitra tamin'ny hadalany
ianao tsy resy akory f'izao no tadidio
vonona aho hanavao ny toerana nialàny
ianao ilay oriory voarombaka fitiavana
ianao ilay nanaja olon-tiana tokana?
ianao tsy irery akory na dia mivesatra fandavana
mbola tiako foana ka toneo ny fo tsy hiontana
ianao ilay honena mahatsiaro indray nylasa
ianao ilay tsy tafandry noho ny sompatry ny omaly
ianao tsy irery akory ka andeha hanova fikasa
hiombom-pahasambarana hanafoana irony jaly
ianao...ianao no tena tiako
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana