Roa mira iray (Nyaritra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny hoe sipa hono dia teny nafohezina toa mahatsikaikyny heviny anefa mifono fahendrena tena mampihaiky
misy ny milaza fa Sila-Panahy no mahadika azy
ny sasany anefa misitrika tsy enjehina toy ny voasazy
ny zatovo no seriny tsy laitra raràna amin'io sehatra io
ovaina daholo na famindra na fitafy, satry foana hadio
izay no noheverina fa Sila-Pahasambarana santatry ny ho avy
ka raha tsy feno ireo dia alahelo iraisana tsy sitrana tambavy
ny antsika kosa na vao miantomboka aza dia silany natambatra
andrianina sy sitraka hery iray tarafin'ny volana misandratra
tanjona efa tratra teo am-piandohana fa ho doria mandrakizay
ka leferintsika foana izay ilazàna azy f'efa roa mira iray
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana