HERISETRA (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotra ny "Association des Chrétiens pour l’Abolition de la Torture (ACAT) de Madagascar" ho fankasitrahana ny asa sahaniny.


HERISETRA

Hiravo ve ny fo
Raha vady anaovantsoa
Sy karakaraina tokoa
No mampiasa HERISETRA
Mandavo, mahavoa

Ho mirana ve ny saina
Raha vady lalaina
Tiavina sy hajaina
No mampiasa HERISETRA
Mamono, mahalatsaka aina

Hiadana ve ny fanahy
Raha indro lehilahy
Natao hiaro sy hiahy
No mampiasa HERISETRA
Ao an-trano, mampanahy

Haharitra ve ny vatana
Raha isan’andro mangana
Noho ny fikasihan-tanana
Vokatry ny HERISETRA
Ataon’ilay natao ho Namana

Soa fa misy Fikambanana
Toy ny ACAT sy ireo hafa
Sahy mandray an-tanana
Ireo fahoriana samihafa

PETAKASOA (faha-30 mey 2010)
--------
Rohy:
1689 0
Hevitra mandeha
petakasoa ( 02/07/2010 19:18)
Hahazaka ve ny nofo
Raha ny olon-tiana no mifofo
Mandrotika ho torotoro
@ alalan’ny HERISETRA
Ilay fitia mbola mijoro
malagasy1 ( 17/08/2015 17:52)
Hanjaka ve ny fiadanana
Raha ny tokantrano hikambanana
No hampanjakàna ny maha-lehilahy
ka hampitahorany lava : mamalia eo raha sahy!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015