HO AN'I DADA (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN’I DADA

Olon-tokana tsy mahatsiaro lanaka
Mifofotra miasa hamelomana taranaka
Mahay manafina raha sendra fahakiviana
Satria andry iankinan’ny fianakaviana

Olon-tokana ilay hany mahavita
Manovo hery vao isan’andro hahatafita
Hahatonga olom-banona ireo sombiniaina
Mikaon-doha mafy hatrany alina, maraina

Olon-tokana feno fitiavana tsy manam-paharoa
Tia mananatra sy manome hevitra mahasoa
Hahafahan’ny zanaka hahay hiatrika ny fiainana
Amin’ny fivavahana sy fandresena ny fahalainana

Ankehitriny izahay efa lehibe sy manan-tokantrano
Misaotra an’Ny Avo nanome anay anao ho Loharano
Nihaviana sy antoky ny fahombiazanay
Ka faly miarahaba anao “tratry ny fetin’ny Ray”
Mankasitraka re ry Dada, mankatelina tokoa
Ary manoroka mamy amin’ny takolakao roa.

PETAKASOA (faha-16 jona 2010)
--------
Lien:
10369 3
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015