Izaho, hono, poety ! (Pissoa)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho, hono, poety !Izaho, hono, poety !
Nefa nony injay fa reko mikorontana ny taniko
Tifitra misesisesy, herisetra tsisy farany
No misolo "Fihavanana" ! Voazimba ilay akaniko ;
Dia tsy hita izay voasoratro hamiliana ny tantarany.
Izaho, hono, poety !
Nefa nony injay tsaroako irony ankizy tsy ampy taona
Izay midradradradra anaty, miandry rariny hanjaka
Fa nolotoina an-kerisetra nefa dia teren-kimoana !
Dia tsy nisy mba voasoratro, na teny kely aza hampitraka.
Izaho, hono, poety !
Nefa nony injay niofo ny fitiavan'ny malalako
Ka tsy hisy intsony "Izahay", na matotra na vazivazy ;
Dia nihodonako ny tsiky namemoany ny tantarako
Ka tsy nisy mba voasoratro ho fanehoam-pisaorana azy.
Izaho, hono, poety !
Nefa nony injay heveriko fa tsy mendrika intsony
Ny fitaizana izay atolotra ireo tompon'ny ho avy ;
Dia mitaraina ny fanahiko, ny eritreritro tsy tony !
Nefa tsy hita izay voasoratro ... Moa tsy izaho no mpamosavy ?
Nefa izaho, hono ... poety !
--------
Lien:
Catégorie :
Kolontsaina
Fans:
maeva74
Commentaires
hery
(
24/06/2009 09:21)
Mahagaga tokoa.
Izaho aza mahavita manoratra tononkalo ho an'izao zanak'olona rehetra izao... fa nony teraka ny zanako, hatramin'izao mbola tsy nahasoratra foana 😊
Sa ve io ilay hoe "Ianao anaka eto amiko foana"...
Izaho aza mahavita manoratra tononkalo ho an'izao zanak'olona rehetra izao... fa nony teraka ny zanako, hatramin'izao mbola tsy nahasoratra foana 😊
Sa ve io ilay hoe "Ianao anaka eto amiko foana"...
maeva74
(
24/06/2009 12:06)
Sa ve io ilay hoe "Ianao anaka eto amiko foana"...Hery ohatry ilay hoe: " ny zanaka mpanao kiraro ihany no ratsy kiraro sa ahoana???
sakaymena
(
24/06/2009 12:25)
yeh tena marina zany pissoa ah
Zozoro
(
25/06/2009 19:03)
Tena mankasitraka pissoa a! poeta ianao ka! ankafiziko ary iainako avokoa ny vetsonao rehetra.
Maromaroa ny toa anao.
Misaotra e!
Maromaroa ny toa anao.
Misaotra e!
toetra
(
25/06/2009 21:38)
Ilay andininy voalohany no tena nanaitra ahy satria mampahatsiahy ny adidin'ny poeta amin'izao raharaham-pirenena mavaivay izao. Mankasitraka Pissoa.
oliviah
(
27/06/2009 10:22)
izaho tsy poety,fa mahita fa mitombona io
zoniaina sandratra
(
29/03/2018 09:09)
Mahafinaritra ny mamaky ny tononkalonao