Ilay mpandalo maizimbolana!!! (r.epsilon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nampisosa moramora ny minitra sy ny ora
ity masoandro ndeha hiletika
F’indro mbetika….
Toa rifatra tsy tana, nefa toa mihanahana
ao an-tsefatsefan-drahona…
Injany indray andian-tsahona….
Niventy ilay antsiva, nanambara takariva :
Dia ‘lay feo famantarana,Fialana hasasarana!!!!
F’efa tsy ho ela intsony
dia hangina sy ho tony indray ny zava-manan’aina….
F’indro kosa miasa saina….
Sady lasam-bisavisa ity mpandalo hany sisa
tsy tafiditra ao an-trano,
“Ny maso no manganohano”
Nanakatom-baravarana, handeha hanarangaram-bodilanitra atsinanana…
Ndrao mba efa “FENOMANANA”!!!
Kinanjo…..
Raho-mainty mitakosina, aizim-pito maro sosona
no nitsena izay jineriny,
Ka faraheriny…
Nitsaitsaika moramora, nody maina an-telin-drora
mba hamonjy ny efi-tranony,
Fa najanony…
’Ty nofinofy tsy tanteraka, embonembona mandreraka,
Hazafana misitery, volana fangalam-piery!!!
‘Toa baliaka, toa mazava….nefa tia misaron-tava!!!
Dia sanatria ve hitanila, sa mba te-hamilafila?
No tsy avela mba hiserana ny hazavana fanamperana ?
Sa ANJARA tsy azo laizina, TADRIFY koa ny aizina???
Dia tsy maintsy miantefa????
Asa anefa…..
Fa raha mba misy koa ny farany, ka mbola “volana” no anarany….
Dia hanantena foana aho, hidradradradra hitalaho!!!
Tsy ho voafafa tato an-tsaiko, ny endrikao ry sombiniaiko……
Efa Didin-janahary, ny voahary tsy manary ireny hasiny….
Ka mba fara faharatsiny…..
Na tsy ho ahy samy irery….mba iarahana mijery
ny salovan-tavanao…..
Lasa izao….!!!
--------
Rohy:
Sokajy : tantara
1212 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117