Ampianaro (Rado)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manavia ny saiko ny hisaotra Anao
Rehefa misy jaly izay zakain’ny fo
Fa ny fifaliana ihany hatrizao
No mba nanehoako fisaorana eram-po

Ampianaro aho ry Tompo be fitia
Hanana toetra soa sy vaovao
Ka na fahoriana aza no mangia
Aoka re ny foko hahay misaotra Anao

Zavatra tsy haiko ny mamohafoha
Andro sarobidy izay natolotrao
Fa ‘reo ratsy maloka avokoa
Sisa mba tadidy ho avy Taminao

Ampianaro aho ry Tompoko Tsitoha
Hahatsiaro koa ‘reo soa natolotrao
Ampianaro aho mba hitadidy koa
Irony lohataona ‘zay nabaliakanao.

(jona 1993)
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
210 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rado
Inséré par : ikalamako
Date : 18/04/2024 10:06
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155