FONY (Rado)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony
Fony nitokianao
ny fitiavako,
rahavako,
Dia nanjary nihavao
na ny saiko,
na ny aiko.
Ary mamy tao anatiko
ny ho tia
doria doria
sady mandra-pahafatiko…

Kanjo nony
tsy ao intsony
ny fitokisanao ny foko
dia nanjary
sarisary
efa vasobaso-doko
sisa andro
sy masoandro
holalovako aoriana…
Fa mafaitra
sy tsy laitra
Izany tia ka tsy itokiana.
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - Fitiavana
2434 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : NyAndraina
Daty : 12/10/2022 06:28
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145