Tendritendry (Rado)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro, ilay mpamoron-kira
fa mitendritendry lyra...

Injao manainga moramora any an-tobin'onja-nofy
ny eritreriny manjeny, toa mikaro-drotsirotsy
any ambadiky ny tany...
Tsinjony ao angaha ny volana, ary toa mitrabatrabaka
mandrovi-drahona ny tarany, eny anivona habakabaka...
Hitany ao, angamba koa, ny dobok'onja vorivory
mampandihy ireo tatamo ampofoin'ity kamory...
na ny donam-pahavaratra miharo tselatra tazanina...
any Ankaratra any ho any : mampanembona ny manina...
te-hitohoka ny sofiny,
te-hirafitra ho nofiny
te-hirindra mba ho hira hotinendrin'ito tànany,
kanjo dia niriotra... lasa... ary indro tsy voatanany...

Ary eo am-piandrasana 'lay feo nandositra andakira...
indro ilay mpamoron-kira fa mitendritendry lyra...

Fa nandalo indray ilay onja-nofinofy notakariny :
feo mandalo ao am-pony, tsinjony ao ny sarisariny,
mihamazava hokaloiny, mihamamy an' eritreriny,
misy laniny efa hita, ka injao averimberiny...
Tazany ao an-javozavo ambanivohitry ny fony,
ilay tanàna niaviany : tobin-tsiky feno vony...
Mikaro-peo ny rantsan-tànany, nefa injao fa vahobahotra
mbola an-javozavo ihany ka dia hita miahotrahotra...
Lasa indray ilay sary tiany, nentiny any ny tolokony.
O ! natsora angaha ny rano, ka tsy nety ny hosodokony.
Nisavoana sy nanidina any an-tsefa-drahona any
ny rindran-kira tao am-pony misy tsirony efa mamy,
k'indro ilay mpamoron-kira
fa mitendritendry lyra...

Nokatsahiny ihany anefa 'lay hira lasa tany ho any
Nindramany ela-paniriana, nozohiny tam-binany.
Na nisidina, na nidina, nozohiny, nozahany,
nokatsahiny tsy miato mandra-pahatongany any
Ary farany, indro tazany
'Lay tanàna soan'ny razany
mitombina ao anaty hira sy ny kalo novetsoiny,
misatrotsatro-drahomanga, mikidoro felam-bony.
Io 'lay saha malomaloka... Izay 'lay hiran-doharano
Iretsy dian'omby vaky, misarina takela-drano.

Eny, indreo ny tranobongo feno setroka am-bovonana.
Injay 'lay paikan-dakolosy an-tilikambon'ny fiangonana.
'Lay rivo-misamonimonina, arahin-kalom-boro-mody,
henony eo tsy misy very, ao an-tsofiny ao no tody...

Ampoka izy ! Feno loatra ! Azony aman-kira ihany
izao nofy mialoalo saika lasa tany ho any.
Ary injao kaloiny moa eo imolony eo 'lay hirany,
hilazany ny alahelon'ilay tany nipoirany.

(1955)
--------
Lien:
967 1
Fans: rina15
Commentaires
rina15 ( 19/07/2024 19:46)
Enjana ny voambolana nampiasain'i Rado tamin'ity tononkalo ity, Tena kanto
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rado
Inséré par : ikalamako
Date : 17/05/2024 21:32
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165