Fakam-panahy (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maso mitopy malefa-pijery
kanefa miangoty no sady mahery
fa tara-pitia manomboka hamelana
te hanakaiky tsy misy elanelana

ka dia tsaroako mamoha vavahady
hambabo ny foko ho resy tsy miady

tiako handosirana nefa hiverenako
raha ihodivirana sao hanenenako

kanefa iny lahy,
raha mbola miverina
dia fakam-panahy
tsy tiako hotoherina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
15654 7
Hevitra mandeha
Elihangy ( 26/01/2010 10:29)
tiako loatra!!!!
gemaS ( 24/03/2011 15:21)
tena mahay ranga le mpanoratra a!!!tena mlay b mts a!!
yhardina ( 05/06/2014 07:46)
mababo fo toko izy zany an!!
andriamalala11 ( 09/10/2014 08:45)
tsara k,mahavarina
harry's ( 24/11/2014 14:44)
Tena kanto
Strong3 ( 29/01/2015 09:14)
(y) soa ny kanto malagasy; velona eo amin'ny sorany ny fanahy hendriny
ho ela velona ny hay soratra malagasy
faras%27kely ( 16/02/2015 12:34)
Mahay rangah narw ah. ekena 100% eh!
faras%27kely ( 16/02/2015 12:35)
mba ampianaro ah e
sendratiana ( 22/06/2018 03:16)
miaiky ny tononkalony ah e. ar mankafy hatr@ faran
rfanomezantoky ( 20/09/2019 13:32)
ireny zany le hoe tsy tontan'ny ela e. Na mbola amin'ny andron'ny zafikeliko aza: kanto ary mijanaona ho kanto. Mipoa-tsatroka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : Elihangy
Daty : 26/01/2010 10:28
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155