Embona (Rafa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Roa taona lasa izay
No nandaozanao anay
Neny tiako tsy atakaloko
Voaloam-pitia sady mamiko

Misaotra tamin’ny fotoana niarahana
Tao ny tsiky, tomany ary koa fianarana
Neny o! ato am-poko mandrakizay
Ilay fitiavanao tsy maty fa mamaivay

Hisaorana Ianao Andriamanitra Ray
Ny nanomezanao an’I Neny malalanay
Nandritry ny taona maro tety an-tany
Zay hinoako fa mbola hiaona indray andro any

Aza mijery na misaina ny lasa hoy ny Tompo
Teny mampitraka tsy misy toloko
Fa indro Izaho hanome zava-baovao ho anao
Izay fampanantenana ho amin’ny fiainanao

Koa matokia ry namako zay efa nandao
Na Ray, Reny, zandry, zoky, namana, havanao
Mitrakà mahereza hiatrika hatrany
Raiso Jesosy Tompo fa ao Aminy tsy misy tomany
--------
Lien:
Catégorie : embona
1207 0
Commentaires
andrii15 ( 25/08/2015 04:26)
tsara fa tohizo e
napou ( 25/08/2015 12:53)
mankasitraka e
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rafa
Inséré par : napou
Date : 15/07/2015 12:47
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137