Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ketrika (Rafa)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga saina ireto namanaAiza no mba ahitana ketrika
Hiorana amin’ity tsy fananana
Efa mby akaiky ireo mpandrendrika
Fiarahaha-monina mifosafosa
Manao fijery mitongilana
Ny zanakay toa zary olon’osa
Lasa saina amin’ny fahasahiranana
Rahoviana ihany hoy ny ventsom-po
Midradradra mivavaka isan’andro
Aiza no ahitana fitoniam-po
Mikofoka rehefa misandratra ny andro
Tamin’ny andro tsy nampoizina
Indro nisy ketrika nivaly
Naharitra ela sady otran’ny trozona
Hafaliana fa hoe afaka ihany
Rafa 24 Jolay 2015
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitadiavana
