LASA (Rafa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao anaty andro vitsy monja, no niantombohan’ny tantara
Izay tsy nieritreretina hoe izay tokoa ve no fiafara
Nandalo sedra maro ka nampitroatra
Nandray fanapahan-kevitra tamin’ny fo sendoatra

Tiany tokoa ve aho, nandritry ny fotoana niarahana
Sa nanadinoany ilay teo alohako zay mbola tsy nifarana
Satria tsy nanadihady na koa nanontany
Ny valin-teny dia hoe tsy tiako intsony avy hatrany.

Nandinika, naka hevitra tamin’ny olona
Marina ve fa tena misy ny mpamorona
Eny tsy ankiambahaba hoy ny manodidina
Fomba hamitahana sy handrava ireo voaforona

Veloma fa izaho tsy ho namanao intsony
Esory ao an-tsaina fa be ny lonilony
Samia mamorona fiainan-baovao
Hanavao indray fitia vaovao
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1198 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rafa
Inséré par : napou
Date : 20/07/2015 13:02
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136