OMEO (Rafa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba omeo re ry zoky fa tena sahirana
Aiza avy ireo nampanahirana
Etsy sy eroa naneho filibana
Ka lasa voatery ny fahantrana

Nankaiza daholo ny harena taloha
Niserana izany ka tsy nahay niarin-doha
Ankehitriny mangataka, omeo, omeo
Tsy mba nieritreritra ny fo nitoreo

Fitiavan-tena diso tafahoatra
Nanome fo ka nampisendaotra
Ireo iray tam-po zary natositosika
Taty aoriana anefa lasa mpanosika

Mitsangana zato izy fa mampalahelo
Izahay dia tsy mitàna alahelo
Ny tarigetra tsara ho hananana
Dia ny hifanampy amin’ireo tsy manana
--------
Lien:
Catégorie : Fahantrana
1038 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rafa
Inséré par : napou
Date : 17/07/2015 07:16
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139