MITOMANY I GASIKARA (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitomany i gasikaraTanindrazana malala
Vao may miha osa
Itombahan'ny trosa
Iza no mahalala?
Fa mitomany i gasikara
Mitomany i gasikara
Nosy mamy tsy foiko
Izahay taranaka amam_para
No injao mitoloko
Iza no mahafantatra?
Fa i gasikara tonga lafatra
Mitomany i gasikara
Malahelo ny foko
Izahay izao no tsara
Dia noho ianao ry nosiko
Iza no mahasahy milaza?
Fa i gasikara manandanja
Mitomany i gasikara
Mampangina ny olony
Ireo vahoaka manan_tantara
Maty noho ny tolony
Iza no sahy mamboraka?
Fa i gasikara manana hatoraka
In maraina vao ho avy 27 mars 2015
--------
Lien:
Catégorie :
Fahatsiarovana - Tanindrazana
Fans:
fenobe3 - holisoaantsa