HAMOY FO MANGINA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAMOY FO MANGINA

Avelao aho hamoy fo mangina
Hanadino moramora, ilay fitiavanao lalaiko
Hiaritra irery ny oram-pijaliana
Hanafotra ny fiainako, ka hanaisotra ny aiko

Raha izay no sitrak’Andriamanitra
Dia hisaorako Azy izany ary ekeko an-tsitrapo
Inoako ihany koa f’homeny ahy ny lanitra
Na dia mpanota tsisy vidiny, irery ka namoy fo

Ireto masoko ireto na ho jembin’ny tomany
Dia mbola hibanjinako ny aizim-piton’ny tontolo
Antenaiko kosa fa any am-parany any
Hitsangana ho velona ilay fanahiko efa lò sy bobongolo

Ka avelao aho hamoy fo mangina
Hitoetra samy irery an’efitry ny fahanginana
Aleo zakaiko irery ireo fijaliana
K’aza asiana teny akory na sombim-pitsimbinana.


Malalason 30/03/09
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4233 4
Hevitra mandeha
atonamia ( 31/03/2009 16:07)
Misaotra naneho ny vetso tiako havoaka fa tsy vitako
Zozoro ( 31/03/2009 17:38)
Misaotra. Mahay ny mpanoratra. Tena makasitraka. Nefa aza dia mamoifo e! mbola ho avy ny lohataona.
Malalason ( 01/04/2009 07:37)
atonamia & Zozoro : Ianareo no tolorana fisaorana tsy nisalasala naneho hevitra. mankasitraka
pissoa ( 23/06/2009 11:52)
Mankasitraka Malalason a. Mahalaza ny tiana ambara indraindray :)

Mirary soa hatrany.

Pissoa
maeva74 ( 04/04/2010 23:48)
Kanto ny asa-soratrao mahafinaritra dia mirary soa hatrany
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146