Fianarana (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Ny fahaizana sy ny fianarana
 Izay tokony ho loha laharana
 No tiako mba hasian-teny
 Fa zava-dehibe mantsy ireny

 Ny sasany tena sahirana
 Mianatra mafy ary koa mifaninana
 Milofo sy tena manaizana
 Fa te hahazo ilay mari-pahaizana

 Ny fianarana mirindra
 No lova tsara indrindra
 Koa mahaiza manararaotra
 Raha ianao ilay te hivoatra

 Loharanom-pandresena
 Sy vola aman-karena
 Koa tsy azonao hosena
 Ilay toa volamena

 Alaviro ny hakamoana
 Izay fahavalom-pandrosoana
 Mitandrema fa be ny ankaso
 Koa reseo re ny torimaso

 Aza tia miresabe
 Tiavo koa ny mpanabe
 Ny fianarana hatao tsara
 Mba tsy ho ratsy ny fiafara
--------
Lien:
Catégorie : fananarana
1322 13
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0183