FITIA VOAHOSIM-POTAKA (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Lazainy fa tsy tia
 Rehefa izaho no maditra
 Lazainy fa tsy tena tia
 Rehefa izao no nanao sipa

 Lazainy fa miatsaravelatsia
 Rehefa izahay no mifamaly
 Lazainy fa tsy tena tia
 Lazainy fa nampahia

 Lazainy fa tsy hiova intsony
 Rehefa izao no tratra alina
 Teny anavona sy lonilony
 no mahazo ahy andro aman'alina

 Lazainy fa ratsy loha
 Rehefa izao no miteny
 Lazainy fa manitsa-jo
 Nilaozako hono ny taloha

 Lazainy fa nanaha-dRay
 Rehefa sendra aho mba solafaka
 Lazainy fa tsy tia anay
 Rehefa izao no tsy mivavaka

 Lazainy fa manambany
 Rehefa izao no mananatra
 Alahelolo sy tomany
 tsy fitiavana hono izany

 Lazainy fa tsy hita akory
 Ireo fihovana izay nataoko
 Lazainy fa nampahory
 Ny Fijaliany hono tsy nahoako

 Lazainy hombeny hombeny
 Fa efa leo azy ny foko
 Koa ny momba ahy izay reny
 Dia hitsarany ilay Fitiavako
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Fitiavana - Fitiavana
863 4
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153