HO AN-JANAKO (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba fantatrao ve ry sombiniaiko Ny hasarobidinao amiko
Hiaro anao no ato antsaiko
Eny! na amoizako ny aiko
Injay ny ranomasonao milatsaka
Mampangoraka ny foko
Ny feonao mitaraina fatratra
Mahonena ahy ianao mitoloko
Zanako a! tiako ianao
Hareko ianao; reharehako ianao
Tsy foiko mamiko indrindra
Na ho tsara ianao na ho ratsy famindra
Aza omena tsiny re ty rainao
Ra toa ka hisento; hanjombona irery
Hitahiry ireo fitiavana anao
Hamikitra izany tsy misy very
Mba fantatrao mo ve ry ilay mamiko
Ny antony hiezahako eo amin’ny fiainana
Fa ny hikatsaka ny hahasoa anao
Hanampy; hanohana raha misy ny itarainana
Ny hiariko harena koa
Ny anaovako ny aiko tsy ho zavatra
Dia ho anao; ny isambaranao moa
Ny hatsapanao; ny lanjanao amiko
Papa tsy manadino anao zany ka
Sahirana amin’ny ho avinao fotsiny izy
Raha toa ka tsy hitanao matetika
Fa tsy sanatria manao sambo milentika
Eny e! afaka mitsara ahy ianao anie!
Izay eritrritrao ahy teo amin’ny fiainako
Fa ny teniko aminao fotsiny de hoe;
Tiko ianao amin’ny andro rehetra iainako
Averiko fona ihany zao teniko izao
Fa tiko tena tiko ho aho ianao
Koa meteza ary ahatsapa ny fahoriko
Fa iady ho anao no antom-pisiako
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : RAKOTONJANAHARY Tojosoa EjicàInséré par : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Date : 17/09/2022 11:53