Ilay bika aman'endrikao (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
o Toy ny voninkazo vao marainao Ilay bika aman’endrikao
o Manokatra ny fo sy ny saina
o Koa tiako ho hita foana izao
o Mibaliaka toa masoandro
o Izay mitaram-pahazavana
o Koa tiako ho hita isan’andro
o Fa manome hafanana
o Endrey tsara tarehy ianao ry malala
o Tsara nohon’ny vehivavy rehetra
o Ny masonao toa voromailala
o Anilanao tsy mampanjoretra
o Matory aho, mahatsiaro anao foana ny foko
o Ny fitsikinao misintona ny masoko
o Ireo momba anao tsy misy hadinoiko
o Koa ny handao anao tsy ho sahiko
o Ny molotrao miteny
o Mandrotsirotsy ahy
o Ireny fihetsikao ireny
o Mamelombelona fanahy
o Fahasambarana no azo
o Raha ny eo anilanao
o Toa raozy izay tsy halazo
o Ilay bika aman’endrikao
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
laza.bruno19 - veroniquetoty - ramarilina - jeanlouisbetela - bango.harilaza - eugenie.laurence619 - theophile.felicien - Jacque JDV - robinjules619 - tiahservice - guyvhyra - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : RAKOTONJANAHARY Tojosoa EjicàInséré par : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Date : 24/05/2019 05:27