NY TENA NAMANA (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Ny tena namana dia tsy manary
 Manampy amin’ny andro sarotra
 Maneho fitia miharihary
 Mamonjy anao tsy anadi-varotra

 Marary ny marary anao
 Mitomany ny alahelonao izy
 Mahatsapa ny fahorianao
 Fa raha ny akoatr’izay dia tsy izy

 Ny tena namana dia sahy
 Mijoro ho namanao eny foana
 Dia ilay miseho ho rahalahy
 Mananatra anao raha sendra mivoana

 Tsy ny liana rehetra aminao no namana
 Na izay mahafantatra anao ihany koa
 Tsy ny manantona anao nohon’ny zavatra ananana
 F’ilay mihantra anao raha sendra ka voa

 Ny tena namana dia tsy maro
 Fa roa nairay ao anatin’ny zato
 Miady ho anao ary vonon-kiaro
 Amin’ireo olana misesy tsy an-kiato

 Ny tena namana dia saro-tadiavina
 Nohon’ny habetsan’ny namanao
 Ny tena namana tsy mifidy fiodirana
 Mifanampy aminao raha toa sahirana

 Ny tena namana tsy mifidy saranga
 Tsy mifidy na foko na firazanana
 Ny tena namana dia mpameno ny banga
 Resam-pitia fa tsy resam-pananana

 Ny tena namana dia sahy mijoro
 Na ora-mijinja na afo mandoro
 Manampitia izay tsy voafetra
 Manohana anao amin’ny andro rehetra
--------
Lien:
Catégorie : Namana
878 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014