TOA TSY SAHY AHO (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa tsy sahy aho, na ny hieritreritra akory Ny hoe: hamboraka fitia aminao
Tsy aiko mantsy na mbola matory
Na tsy ho amiko ny fitiavanao
Tsy sahy aho kia satria nahoana?
Mpinamana loatra anie isika e!
Raha ny tiko manko dia hitohy eny foana
Ny fiarahantsika ho mandava-taona
Tsy sahy aho fandrao lasa hanimba
Ny fiavanatsika roa no nataoko
Hamotika, andrava, sy hanimbazimba
Ilay finamanana madio sy mirindra
Tsy sahy aho marina e!
Ny ilaza aminao ny tena ato ampoko
Ny tao ambadik’ireo lasantsika
Sy ny hevitra fonosin’ireo zavatra vita
o Mamiko loatra manko ireo fotoana
o Nifaneraserantsika roa hatrizay
o Eny e! Raha ny iriko tanteraka ho tafahoana
o Ny foko sy ny anao itempo ho iray
Nofinofiko izany a! mbola fanirina
Mbola vinavina satria ilana fasahiana
Fasahina tsy inona fa ilay tiko ambara
Ataoko fa arakao ny fizotrin’ny tantara
Tantarantsika roa izay niaraha-niaina
Tantara tena soa raha ny amiko aloha
Nahitako fahasambarana, nefa tsy nampoizinao
Ka tsy tiako ho faranana na dia tsy itanao
Tsy sahy aho nefa tena tia
Ampio re aho, amboraka fitia
Fitiavana madio ho anao ry tiana
Ampio aho, anam-pasahiana.
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : RAKOTONJANAHARY Tojosoa EjicàInséré par : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Date : 17/09/2022 11:56