AMPIO (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hindrankindran’ainga, sy talentan’olona aho entiko mitenyTe hindrankindran-teny, sy voambola-namana, alefa arenireny
Fa toa efa an-tanan-dany, ny soratra fametrako, sy ireo tononkalo
Fa natelin’ny ambiroa, ireo talentalentako, tsy misy iray mba mihalo
Te hirediredy, hira ts’isy tonony, arahim-peo moana
Te hikalokalo, hiventy antsaantsa, ity vetso minoanoana
Fa toa resim-pahanginana, sy fahabangam-panahy, ny troatra ao anatiko
Fa maina irony vetso, makina ireo vinany, ka gina sisa arantiko
Te hikiaka an’habaka, handrovitra ny lanitra, sy ny alina milamina
Te hanery saina, hanao amboletra, ireo tana-mihaminkamina
Fa toa midonàka fotsiny, sy mandrimandry izany , ireo teny tiako hivoaka
Ka ampio aho re, himpirimarima, ireo teny tiako aloaka
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy