AMPIO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hindrankindran’ainga, sy talentan’olona aho entiko miteny
Te hindrankindran-teny, sy voambola-namana, alefa arenireny
Fa toa efa an-tanan-dany, ny soratra fametrako, sy ireo tononkalo
Fa natelin’ny ambiroa, ireo talentalentako, tsy misy iray mba mihalo

Te hirediredy, hira ts’isy tonony, arahim-peo moana
Te hikalokalo, hiventy antsaantsa, ity vetso minoanoana
Fa toa resim-pahanginana, sy fahabangam-panahy, ny troatra ao anatiko
Fa maina irony vetso, makina ireo vinany, ka gina sisa arantiko

Te hikiaka an’habaka, handrovitra ny lanitra, sy ny alina milamina
Te hanery saina, hanao amboletra, ireo tana-mihaminkamina
Fa toa midonàka fotsiny, sy mandrimandry izany , ireo teny tiako hivoaka
Ka ampio aho re, himpirimarima, ireo teny tiako aloaka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1012 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332