ARIRA (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo sisasisam-pitia, natsipitsipy fahatanyIreo teny mamy izay naloaka, nambarambara tamin’izany
Dia nangoniko mangina
Ireo sary zoro kilalao, sy ireo sangisangy adala
Ireo anaram-bositra fanao, Angolan-teny sy malala
Mbola tononiko mangina
Ireo halatrala-tsafosafo, nakako tsirony an-kamehana
Ireo fikipikitra tsy nahy, fa vizaka ka te hitehina
Dia voarakitro an-tsary
Ireo fotoana izay nitarina, sy ireo resaka tsy nety tapitra
Ireo rohy izay nifandraisana, tsy voazava, tsy voafaritra
Dia mbola ao an-tahirin-tsiaro
Adolantsento tamin’izany, ka manga loko ilay fitia
Ankehitriny tsiaro sisa, arira fanariana dia
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy