ARIRA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo sisasisam-pitia, natsipitsipy fahatany
Ireo teny mamy izay naloaka, nambarambara tamin’izany
Dia nangoniko mangina

Ireo sary zoro kilalao, sy ireo sangisangy adala
Ireo anaram-bositra fanao, Angolan-teny sy malala
Mbola tononiko mangina

Ireo halatrala-tsafosafo, nakako tsirony an-kamehana
Ireo fikipikitra tsy nahy, fa vizaka ka te hitehina
Dia voarakitro an-tsary

Ireo fotoana izay nitarina, sy ireo resaka tsy nety tapitra
Ireo rohy izay nifandraisana, tsy voazava, tsy voafaritra
Dia mbola ao an-tahirin-tsiaro

Adolantsento tamin’izany, ka manga loko ilay fitia
Ankehitriny tsiaro sisa, arira fanariana dia
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
799 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329