Ela loatra ka mampieritreritra (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ela loatra hoy aho, ka mampieritreritra Ka ny olona izao efa miesona mierotra
Mbola tsy hay amin’izany izay latsaka an-dalana
Noho ireo adidy sy andraikitra nampialangalana
Ela loatra hoy aho ka mahalasa saina
Tsy mazava ny tohiny fa mangina sy maina
Tsy hay tsy hay koa izay majika natao
Sy izay mbola afindrafindrao
Ela loatra hoy aho ka mampihomehy
Sady hita mihitsy ilay hoe tsy voafehy
Hitan’ny jamba ilay ambadika any
Fa mamofompofona ketrika izany
Ela loatra hoy aho ka “miaiky aho izay”
“Dia gaga ianao” hoe hiala any indray
Ilay sakorokoroka, lalao hatrizay
Dia ny vahoaka foana, no voa sady fay
--------
Lien: